<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Hatton</author>
<hymn_number>156</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jeso Mpanjaka tokana
 Na aiza misy olona :
 Ny fanjakany hanerana
 Ny tany sy ny lanitra.

[V2]
 Vavaka sy fisaorana
 Hakarin'ny navotana ;
 Haharitra tsy tapitra
 Hanolo-boninahitra.

[V3]
 Ny firenen-drehetra anie
 Hidera ny fitiavam-be ;
 Ny zaza aza hanatitra
 Ny hajam-boninahitra.

[V4]
 Ny tany izay alehany
 Dia feno fitahiany ;
 Ny voagadra afaka,
 Miadana ny reraka.

[V5]
 Izao rehetra izao anie,
 Hanatitra fisaoram-be
 Ho an'ny Tompo tokana,
 Izay Mpanjakan-danitra.</lyrics>
<title>Jeso Mpanjaka tokana FFPM156</title>
</song>